Matthew 4

1Avy eo Jesosy notarihan’ny Fanahy ho any an’efitra mba halain’ny devoly fanahy. 2Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina izy, dia noana. 3Nanatona ny mpaka fanahy ka niteny taminy hoe: “Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.” 4Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona fa izay teny rehetra aloaky ny vavan‘Andriamanitra.”’

5Avy eo ny devoly nitondra azy tany amin’ny tanàna masina ka nametraka azy teo amin’ny faratampon’ny tempoly, 6ary niteny taminy hoe: “Raha Zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any, fa voasoratra hoe: ‘Izy handidy ireo anjeliny hiahy anao’ sy ‘hanandratra Anao eo amin’ny tanan’izy ireo, ka tsy ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.’”

7Jesosy niteny taminy hoe: “Dia mbola voasoratra indray hoe: ‘Tsy tokony hitsapa ny Tompo Andriamanitrao Ianao.’” 8Noentin’ny devoly hankany amin’ny toerana avo indray Izy ary nampiseho azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao sy ny hatsaran’ireo. 9Hoy izy taminy hoe: “Ireo rehetra ireo dia homeko anao, raha toa ka miankohoka eto anatrehako sy midera ahy ianao.”

10Avy eo Jesosy niteny taminy hoe: “Mialà eto ianao, ry Satana! Fa efa voasoratra hoe: ‘Ianao dia hidera ny Tompo Andriamanitrao, ary izy irery ihany no ho tompoinao.’” 11Avy eo nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.

12Ary nony ren’i Jesosy fa voasambotra Jaona, dia niverina nakany Galilia izy. 13Nandao an’i Nazareta izy ka nandeha ary nonina tao Kapernaomy, izay eo amoron-dranomasin’ny Galilia, ao amin’ny zara-tanin’i Zebolona sy Naftaly.

14Izany no nitranga mba hahatanteraka izay nambaran’Isaia mpaminany hoe: 15“Ny tanin’i Zebolona sy ny tanin’i Naftaly, mankany amin’ny ranomasina, any an-dafin’i Jordana, Galilia an’ireo Jentilisa! 16Ireo olona nipetraka tamin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nipetraka tamin’ny faritra sy ny aloky ny fahafatesana, dia teo amin’izy ireo no niposahan’ny fahazavana.”

17Ary tamin’izany fotoana izany Jesosy dia nanomboka nitory teny sy nilaza hoe: “Mibebaha, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”

18Raha nandeha teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy, dia nahita mpirahalahy roa, Simona izay nantsoina hoe Petera, ary Andrea rahalahiny, nanipy ny haratony teny amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. 19Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Andeha, hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.” 20Teo no eo ihany dia nandao ireo harato izy ireo ka nanaraka Azy.

21Ary raha mbola nandroso Jesosy dia nahita mpirahalahy roa hafa, Jakoba zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny. Nanamboatra ny haratony tao an-tsambo izy ireo niaraka tamin’i Zebedio rain’izy ireo. Niantso azy ireo Izy, 22ka teo no eo ihany dia nandao ny sambokeliny sy ny rainy izy ireo ka nanaraka Azy.

23Nandeha eran’i Galilia Jesosy, nampianatra tao amin’ny synagogan’izy ireo, nitory ny filazantsaran’ny fanjakana, ary nanasitrana ireo karazan’aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny olona. 24Niely eran’i Syria ny vaovao mahakasika Azy, ka dia nentin’ny olona teo Aminy ireo izay marary rehetra, mararin’ny karazan’aretina sy fangirifiriana, ireo demoniaka, sy izay mararin’ny androbe sy mararin’ny paralysisa. Nositranin’i Jesosy izy ireny. Vahoaka maro avy tany Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy any an-dafin’i Jordana no nanaraka Azy.

25

Copyright information for PltULB